10/08/2026
I 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟏𝟎𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐋𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 I
💬𝑭𝑨𝑲𝑨𝑵-𝑲𝑬𝑽𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑴𝑶𝑴𝑩𝑨 𝑵𝒀 𝑯𝑶𝑨𝑽𝑰𝑵'𝑵𝒀 𝑽𝑶𝑳𝑨 𝑻𝑨𝑹𝑨𝑻𝑨𝑺𝒀 𝑺𝒀 𝑵𝒀 𝑽𝑶𝑳𝑨 𝑴𝑨𝑫𝑰𝑵𝑰𝑲𝑨 𝑬𝑻𝑶 𝑴𝑨𝑫𝑨𝑮𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨𝑹𝑨.
Ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-100 taona nanontana sy namoahana voalohany ny vola taratasy malagasy, ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) dia manokatra sehatra ho an’ny rehetra hifampidinika momba ny hoavin’ny vola taratasy sy ny vola madinika eto Madagasikara.
- 𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐨𝐣𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐞𝐧𝐝𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲?
- 𝐀𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐨𝐚𝐯𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚?
🎯Ireo fihaonambe ireo dia sehatra iray manokana ihany koa hihainoana sy hifampizarana ireo ahiahy sy olana sedrain’ny olom-pirenena eo amin’ny fampiasana andavanandro ny vola taratasy sy ny vola madinika.
✅Amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo Andrimpanjakana, ny manam-pahaizana isan-tsokajiny, ny mpandraharaha ara-toekarena, ny tontolon’ny oniversite, ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana, ny tanora ary ny olom-pirenena, dia manamafy ny fahavononany ny BFM hanorina vina iombonana momba ny vola malagasy. Izany dia mifanaraka amin’ny iraka sahaniny, dia ny fitandroana ny fahatokisana ny volam-pirenena sy ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.