Mana isan'andro

Mana isan'andro Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mana isan'andro, Antananarivo 101, Antananarivo.

01/01/2026

Mifalia ...

Mivavaha ...

Misaora. ..

01/01/2026

Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. — Salamo 103 : 1

Jesosy o,
Maro ny zavatra nitranga sy niseho tamin'ny fiainako tamin'ity taona ity
✨Alahelo
✨Fifaliana
✨Fandresena
✨Falim-bavaka
✨ Fahoriana 😭
Nisy fotoana aza nitomany mihitsy,fa misafidy aho androany ny hankasitraka sy hisaotra ny anaranao satria haiko sy fantatro loatra fa tena mety ny nitondranao ny fiainako ary azoko antoka fa ny tanaNao momba ahy.

28/12/2025

Mba naka fotoana isaorana an'Andriamanitra ve ianao androany ? 😊

Raha toa ianao mbola tsy nahavita nisaotra Azy dia makà fotoana kely fotsiny handinika ny fahatsarana nataony tamin'ny fiananao 😊

Aza adino mihitsy ilay famindram-po tsy mety ritra fa mihavao isa-maraina 🙏
Ilay fahasalamana izay voalohan-karena 🙏
Ilay fahasoavany izay naha toy izao anao ♥️

Tsarovy fa Izy Ilay Andriamanitra tsy manary ary tsy mba mahafoy ♥️
Ilay manangana sy manova fiainana ♥️
Ilay mijoro sy mialoha làlana anao ♥️

💌 Salamo 103:2
< Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra>

Amen
15/06/2025

Amen

Finaritra ry havana 😇!

🌿 Mihamatahotra sy be ahiahy ny olona noho ny karazana olana mianjady sy ny zava-mitranga eny amin'ny fiarahamonina eny:
- Matahotra tsy fandriam-pahalemana
- Matahotra sao tsy mandeha ny tsena
- Matahotra sao tsy haharitra faran'ny volana ny karama
- Ho avy izao ny fanadinana dia matahotra sao tsy ho afaka... sns

😥 Mampijaly antsika ireny tahotra ireny nefa tsy mampiova zavatra loatra. Misy tranga-javatra azo tandremana ihany nefa zava-poana raha tsy ny Tompo no miasa sy miaro.
Ny tokony ataontsika dia miantoraka am-pahatokiana amin'Andriamanitra, mamaky, mihaino ary miaina ny teniny fa mandrakariva, Izy dia mampahatsiahy antsika hoe:

"Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza."
— Daniela 10:19a

Address

Antananarivo 101
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mana isan'andro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share