07/04/2023
Merci bien poussin loi qui à été établie.
⚖ IREO ZO MANOKAN’NY VEHIVAVY ARAKA NY LALANA IRAISAMPIRENENA
📌Ankoatr’ireo ZO ananan’ny olombelona rehetra itoviany amin’ny lehilahy dia manana ireto ZO MANOKANA ireto ny vehivavy.
🔷1) Zo ho mendrika/hisitraka fahamendrehana :
- zo hajaina ny fahamendrehana mifandraika amin’ny maha olombelona
- manan-jo hanaja ny mahaizy azy sy amin'ny fampivelarana malalaka ny mahaizy azy.
🔷2) Zo hiaina, ho amin'ny mahaizy azy ary ho arovana:
Ny vehivavy tsirairay dia manan-jo hiaina ankalalahana, hanaja ny mahaizy azy ara-batana ary ny fiarovana ny tenany.
Tsy maintsy voarara avokoa ny endrika fanararaotana, famaizana ary fitondrana tsy mifanaraka na manohintohina ny maha-olona na koa miendrika fanambaniana .
🔷3) Zo tsy iharan’ireo fomba amampanao mamohetra:
Tsy azo atao ny manao fomba mamohetra amin’ny vehivavy
🔷4) Zo hanambady :
- mitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy ary heverina ho mpiara-miombon’antoka izy roa raha eo amin’ny lafiny fanambadiana.
Araka izany dia :
- Tsy an-tery ny fanambadiana fa miankina amin’ny fifaneken’ny roa tonta
- Afaka misafidy miaraka ny fitsipi-panambadiana syn y toerana honenana ny lahy syn y vavy
- Tsy azo ampirasefina ny vehivavy
- Afaka mitazona sy mampiasa ny anarany ny vehivavy fa tsy voatery hampiasa ny anaran’ny vadiny, na koa afaka mampiasa miaraka
- Manana zo hitazona ny fizakana zompirenena ny vehivavy ary afaka mahazo hy zompirenenan’ny vadiny ihany koa
- Mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy eo amin’ny lafiny fampizakàna ny zom-pirenenan’ireo zanany
- Miaraka mandray anjara amin’ny fitandroana ny tombotsoan’ny ankohonana ; ny fiarovana sy fanabeazana ny zaza ny lahy sy ny vavy
- Manan-jo hahazo fananana manokana sy mitantana izany malalaka ny vehivavy mandritra ny fanambadiana
🔷5) Zo amin'ny fisaraham-panambadiana
- Manana zo hisaraka amin’ny vadiny ny vehivavy araka ny antony voafaritry ny lalàna
- Rehefa misaraka dia manana zo sy andraikitra amin’ireo zanaka ny lahy sy ny vavy
- Manana zo hisitraka ny fizaram-pananana mitovy ireo harena azo nandritra ny fanambadiana ny lahy syn y vavy
🔷6) Zo hanantona Fitsaràna , zo hahazo ny rariny sy ny zo harovana mitovy @ rehetra eo anatrehan'ny lalàna :
Ny vehivavy sy ny lehilahy dia manana zo mitovy eo anatrehan'ny lalàna ary manana zo mitovy amin'ny fiarovana sy tombontsoa avy amin'ny lalàna
Araka izany dia :
- Afaka misitraka feno ny fanampiana ara-pitsaràna rehetra ny vehivavy
- Tokony hitovy ny tahan’ny lehilahy ny tahan’ny vehivavy miasa amin’ny rafi-pitsaràna
🔷7) Zo handray anjara amin'ny fitantanan-draharaha politika sy ny fitantanan-draharaham-panjakàna :
- Manana zo handray anjara amin’ireo dingana rehetra eo amin’ny lafiny ara-politika ny vehivavy
- Manana zo handray anjara eo amin’ny sehatry ny fandraisana fanapahan-kevitra ny vehivavy
- Araka izany dia afaka mandray anjara amin’ny fifidianana rehetra tsy an-kanavaka ny vehivavy : afaka mirotska ho fidina ary afaka mifidy izay safidiny
- Tokony ho voasolo tena foana ny vehivavy eo amin’ny lafiny sy sehatra rehetra
- Tokony hampandraisina anjara feno amin’ny famolavolana sy fankatoavana ireo politika sy programan’asa ary tetik’asa eo amin’ny Firenena ny vehivavy
🔷8) Zo amin’ny fandriampahalemana :
- Manan-jo hanana fiainana milamina ny vehivavy ary manan-jo handray anjara amin'ny fampiroboroboana sy fitandroana ny fandriampahalemana
🔷9) Zo harovana amin’ny ady ara-miaramila:
- Arovana manokana ny vehivavy raha sendra ka misy ady ara-miaramila;
- Tsy azo ampandraisina anjara amin’izany ady izany ny vehivavy
🔷10) Zo hahazo fanabeazana sy fiofanana :
- Manana zo mitovy amin’ny lehilahy hiditra an-tsekoly ny ankizivavy
- Tsy azo atao ny manavakavaka ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana
- Foanana ireo toe-javatra mampanjaka ny fanavakavahana eo amin’ny vehivavy
- Arovana amin’ireo herisetra isankarazany eo anivon’ny sekoly ny ankizivavy
🔷11) Zo ara-toekarena sy fiarovana ara-tsosialy :
- zo miditra miasa amin’ny fanjakana na sehatra tsy miankina
- zo misafidy malalaka ny asa tiany hatao
- zo mandray karama mitovy amin’ny lehilahy amin’ny asa mitovy
- zo arovana amin’ireo herisetra sy fanararaotana isankarazany eo amin’ny tontolon’ny asa
- zo misitraka ny fiahiana ara-tsosialy, indrindra fa ireo vevhivavy eny amin’ny sehatra tsy manara-dalàna
- zo miala sasatra noho ny fiterahana
- zo mampinono any ampiasana
🔷12) Zo amin’ny fahasalamana :
- zo hisitraka ankalalahana ny fitsaboana ara-pahasalamana amin’ny sarany mirary
- zo hahazo fitsaboana ireo aretina manokana mpahazo ny vehivavy
- zo hahafantatra ny fahasalamany sy ny teo-pahasalaman’ny olona miaraka aminy
- zo arovana amin’ireo aretina mifindra ara-pananahana
- zo hisitraka ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana
🔷13) Zo ara-tsakafo :
- zon'ny vehivavy hahazo sakafo ara - pahasalamana sy sahaza
- zo hisitraka rano fisotro madio
- zo hisitraka ireo loharano voajanahary
🔷14) Zo hanana trano sahaza :
- zo mitovy amin'ny lehilahy hahazo trano sy hiaina ao anatin'ny tontolo mahasalama.
🔷15) Zo ara-kolontsaina:
- zo hiaina ao anatin'ny tontolo ara-kolontsaina tsara sy handray anjara amin'ny fanapahan-kevitra momba ny politika ara-kolontsaina amin'ny ambaratonga rehetra.
🔷16) Zo ara-tontolo iainana salama sy mahavelona :
- zo hiaina ao anatin'ny tontolo madio, mahasalama ary mahavelona
🔷17) Zo amin'ny fampandrosoana maharitra :
- zo hisitraka tanteraka ny fampandrosoana lovainjafy
🔷18) Zon'ny vehivavy mitondra tena :
- misitraka ireo zon'olombelona rehetra
- tsy azo iharan'ny fitondrana tsy maha-olombelona,
- tsy azo alaina baraka na ambaniana amin’ny maha mitondra tena azy;
- zo hiahy ny zanany avy hatrany aorian’ny fahafatesan’ny vadiny,
- zo hanambady indray amin’ilay lehilahy nofidiny
🔷19) Zo handova :
- zo hahazo anjara lova ara-drariny amin’ny fananan’ny vadiny
- zo handova fananan’ny ray aman-dreniny amin’ny anjara mitovy
🔷20) Zon’ny vehivavy be taona :
- zo arovana manokana
- zo hisitraka fitsaboana manokana indrindra fa ireo aretina mifandraika amin’ny fahanterana
🔷21) Zon’ny vehivavy manana fahasembanana:
- zo harovana manokana noho ny toe-batany na toe-tsainy izay misy fahasembanana
- Zo hisitraka ireo foto-drafitrasam-panjakana sy tsy miankina ka ahafahany mivezivezy tsy ankasarotana
- Zo hianatra sy hahazo fampianarana mifanaraka amin’ny fahasembanana
- Zo hiasa
🔷22) Zon’ny vehivavy sahirana :
- Zo hisitraka ny fiahiana araka izay ilainy
🔷23) Zo amin'ny fanonerana :
- Zo amin’ny fanonerana mety ho an'ireo vehivavy izay voahitsakitsaka ny zony sy ny fahalalahana,