25/06/2026
Retour en images kely tamin’ny fizarana androany maraina 🇲🇬❤️🔥
Misaotra an’Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny fotoana fizarana ho an’ny ankizy androany.
Mankasitraka antsika rehetra izay nanohana sy nandray anjara tamin’ireo hetsika fizarana nataon’ny Team Coeur En Action, na ny tamin’ny 19 Jona izany na ny androany 25 Jona ❤️🔥
Isaorana manokana ihany koa ireo bénévoles solontenan’ny Team Cœur En Action izay nanatanteraka ny fizarana teny an-toerana androany 😎
Amin’ny maha-solontena azy ireo, dia mitondra fisaorana sy fankasitrahana ho antsika rehetra izahay 🙏. Mbola maro ireo mila fanampiana sy fanohanana, ka manantena izahay fa mbola hisy hatrany ny fiaraha-mientana hamaliana ireo filàna sy antso maro miandry.
Ny Team Cœur En Action dia mirary fety sambatra sy finaritra ho an' Malagasy rehetra 🇲🇬