Zafera Namaloza Ulrich dit Zazah

Zafera Namaloza Ulrich dit Zazah Morondavan-tsika Mandroso

Manao Salamanga voho Nahoa Magnitse antsika iaby , nahatratse gny Taom-baovao 2026 zao 🎉✨Mirary gny soa ho antsika iaby ...
01/01/2026

Manao Salamanga voho Nahoa Magnitse antsika iaby , nahatratse gny Taom-baovao 2026 zao 🎉✨

Mirary gny soa ho antsika iaby , ho tao mirindra voho feno ny fahasoava avy amin’andrianagnahary loloavin-tsika.

Andrianagnahary voho gny Raza anie hitahy , hiaro antsika mandrakariva, loniky mba ho tao feno fahombiaza , haravoa , fahasalamaha , fanantena, intoy taombao intoy 🙏🌟

Loniky tsy hagnay iaby tsika morofoko voho gny avorohota iaby amy toy tao toy 🙏

Miarahaba am-pitiavana ny vahoakan’i Morondava Ambonivohitra tsy ankanavaka ny tenako.Herintaona izay no nandraisan’ny v...
13/12/2025

Miarahaba am-pitiavana ny vahoakan’i Morondava Ambonivohitra tsy ankanavaka ny tenako.

Herintaona izay no nandraisan’ny vahoaka anjara tamin’ny fifidianana ny Ben’ny Tanàna. Ankehitriny anefa, mivoaka amin’ny fahanginako aho manoloana ny zava-misy mampanahy izay mampiditra an'i tananan-tsika toy ny ao anatiny tsy fanarahan-dalana tanteraka, eo aminy fifidianana ny Filoha ny Filankevitra Monisipaly.

Marihina fa efa nisy Délibération navoakan’ny Filankevitra Monisipaly tany am-piandohan’ny volana Aogositra, saingy tsy nahazo “contrôle de légalité” avy any aminy Prefektiora , ary tsy nisy fanazavana ofisialy nomena raha tsy 125 andro taty aoriana .Izany dia mahakasika manokana ny fifidianana sy ny firafitry ny Birao vaovao, ka tamin’izany fotoana izany dia Conseillers 8 no nandany.

Ankehitriny kosa, Conseillers 3 monja amin’ny 13 no nandany ny Filoha ny Filankevitra Monisipaly. Na dia ampidirina aza ireo 3 lazaina ho procuration, izay tsy naseho mazava no sady misy daty tsy mifanandrify, dia tsy manome antoka ara-dalàna izany dingana izany.

Manoloana izany rehetra izany, manohitra tanteraka ny fanapahan-kevitra natao an-tery sy tsy ara-dalàna ny tenako. Miantso am-panajana ireo manampahefana mahefa aho mba hijery ity raharaha ity amin’ny fo tsy miangatra sy tsy mitanila.

Tsy tokony ho olombitsy no mametraka ny hoavin’ny tanàna, satria tanàna iombonana i Morondava. Ny tanjona dia ny hanasoavana ny vahoaka sy ny tanàna, fa tsy ny tombotsoan’olona vitsy.

Misaotry, voho manao Mahavelo Bevata ho an-tsika iaby, ho samby tahian’ny Magnitse voho maro basia iaby tsika iaby 🙏

Address

Morondava
619

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zafera Namaloza Ulrich dit Zazah posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share