25/04/2026
📍 Nisy fivoriana niarahana tamin’ny Tahirim-bola ho an’ny Fampiofanana Matihanina (FMFP) Antananarivo sy FMFP Antsirabe notanterahina tao amin’ny efitrano lehibe CCI Vakinankaratra.
💼 Nifantoka tamin’ny fandinihana ny filàn’ny orinasa eto amin’ny faritra Vakinankaratra eo amin’ny sehatry ny fampiofanana matihanina ny dinika, mba hampifanarahana bebe kokoa ny fiofanana amin’ny tena takian’ny tsenan’asa.
🤝 Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny CCI Vakinankaratra, ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fiofanana sy ny fidiran’ny tanora amin’ny tontolon’ny asa.
📸 : Serasera CCI Vakinankaratra