27/11/2025
🔸 FITSIPIKY NY FIFANAKALOZANA ETO AMIN’NY BITCOMORA ⚙️
♥️ Tao anatin’ny volana vitsivitsy niforonanay dia hita fa maro ianareo no mametraka fitokisana aminay. Koa tsara ny mampafantatra antsika rehetra fa MANANA NIF/STAT ankehitriny ny BitcoMora 💌 , ka dia ampetrakay eto ny fitsipiky ny fifanakalozana .
0️⃣- Mila manana “Portefeuille électronique” ny tsirairay aloha ny hanaovana takalo (échange) ato amin'ny Pejy BitcoMora
1️⃣- Tsy mandray Rétrait avy amin'ny Site na Platforme izahay.
🔸 Ataovy amin'ny Portefeuille 'nao izay vao atao rétrait ato aminay.
2️⃣- Tsy mandefa / tsy manao Dépôt makany amin'ny Platforme hiasanao izahay.
🔸Portefeuille vers Portefeuille ihany.
3️⃣-Tsy tompon'andraikitra amin'ny vola very noho ny adresse diso omenao anay (numéro Téléphone, Email, Adresse Cr¥pto, Adresse ....)
🔸Hamarino tsara ny numéro na adresse aloha ny hanomezanao izany anay.
4️⃣- Tsy mandray Dépôt/Rétrait an'olona mpanelanelana izahay (Mpanera). Izany hoe ianao tompon'ny Compte sy Numéro ihany no raisinay ary Volanao madiodio, ary ianao no tompon'andraikitra feno tamin'izay nazahoanao sy hampiasànao ilay Solde.
🔸Misy vérification ny Dépôt ary obligatoire
5️⃣- Tsy miara-miasa amin'olona hafa na Service hafa ny BitcoMora.
🔸Mba hitandrema ny mpisandoka na Mpisoloky, mety haka tahaka ny BitcoMora.
6️⃣Tsy manao TROSA tompoko izahay!
7️⃣Tsy tompon'andraikitra ny Service BitcoMora amin'ny hampiasanao na hanaovanao ny volanao, na ho alefa amin'ny olona hafa na Plateforme d'investissement...
🔸Izany hoe vita ny Échange, voarainao ny volanao, dia ianao amin'izay no tompon'andraikitra feno amin'ny hampiasanao azy...
8️⃣ Tsy mamaly fanontaniana hafa ivelan'ny Échanges sy Wallet (Portefeuilles électroniques), izahay eto amin'ny Pejy BitcoMora
9️⃣Tsy mandray Dépôt direct avy amin'ny Cash Point, raha tsy misy antony manokana...
🔸Hampidiro amin'ny Compte Mobile Money 'nao aloha ilay Solde izay vao manao Dépôt amin'ny Portefeuille-nao ato amin'ny BitcoMora ianao. ( MVola, Orange Money, Airtel Money)...
🔟 Tsy miantoka frais ny mpanjifa raha portefeuille misy transfert interne via Email na Adresse Portefeuille...(oh: Binance, OKX, Faucetpay), raha dépôt via Réseaux kosa dia mihatra ny FRAIS arakarak' ilay Cr¥pto...
📍NY FITSIPIKA REHETRA DIA NAMPETRAKA MBA HIAROVANA ANAO 💭
🟩Ity ihany ny pejy facebook nay 🟥Entanina isika hitandrina amin'ny mpisoloky, na Pejy fake maka tahaka ireo anarana ireo! Na olona mitonona ho mpiara-miasa aminay. ( ❌ Tsy miara-miasa amin'iza n'iza izahay!)
MANANA NIF/STAT IZAHAY
🍀 Mankasitraka tompoko !